Flash
Préc Suiv

Tarika Telofangady: hanolotra hira vaovao sy seho miavaka

Tarika Telofangady: hanolotra hira vaovao sy seho miavaka

Feo tena malagasy. Tononkira, maneho ilay tazan’ny maso sy ren’ny sofina amin’ny tinafin’ilay endrika maha zavakanto azy. Ireo rehetra ireo, ravahin’ny feom-baliha tsy manam-paharoa… Hatolotry ry Telofangady ho an’ny mpijery avokoa ireo…

An-taona maromaro tsy nahitana ny tarika Telofangady, niaka-tsehatra teto an-dRenivohitra. Nisy ihany ny seho, saingy tamin’ny endrika “cabaret”, izany hoe, tamin’ny alina. Tsy vitsy ireo efa niandry azy ireo. Rahampitso tolakandro, eny amin’ny Espace Nambinintsoa, àry ny fotoana.

“Fanombohana ny hetsika eto Antananarivo io ary tsy maintsy hisy ny tohiny”, hoy i Haja. Araka izany, hiavaka sy tena mendrika izany fisantarana na fanokafana izany ity rahampitso ity, araka ny fampanantenany. Tsy niova fa haneho ny hakanton’ny gadona tena malagasy ny tarika.

Haharitra ora telo ny fampisehoana ka “ezahina hoentina an-tsehatra avokoa ireo hira efa nivoaka. Na izany aza, hisy ihany ny fanaovana hiran’ny namana ho fanentanana sy hamalifaliana ireo tonga hifety”, hoy hatrany i Haja. Tsy izay ihany! Hampahafantatra ireo hira vaovao ihany koa ny Telofangady. Efa maromaro mihitsy izy ireo ary heverina ny hamoahana azy anaty kapila, amin’ny fiandohan’ny taona 2019.

Raha tsiahivina, efa namoaka rakikira telo miampy rakikira roa hafa, miompana tanteraka amin’ny hira Noely, ny tarika. Mikasika ny fampisehoana, nanatontosa fitetezam-paritra tany Frantsa ry Haja sy ny ekipany, tamin’ity taona ity. Ary mbola hitohy izany, amin’io volana desambra io. Tsy latsa-danja amin’izany ny eto an-tanindrazana. Vao avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana izy ireo, araka ny fantatra.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.