Flash
Préc Suiv

Nomen’ny Uscar ny ben’ny Tanàna ny amboara

Taorian’ny nahazoan’ny Uscar ny amboara teo amin’ny fiadiana ny “Super coupe Analamanga 2018”, taranja rugby, natao ny alahady 2 septambra lasa teo, nanolotra izany amboara izany, ho an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao, ireo mpilalaon’ny kaominina, ny alarobia lasa teo.

Fanajana ny raiamandreny sy fisaorana azy, sady mpitantana ny klioba koa ny  antony.  Nambaran’ny ben’ny Tanàna, fa henin-kaja sy henim-boninahitra ny  CUA noho izao fandresen’ny Uscar izao.

Maniry ny tenany, mba hatanjaka kokoa no ho izao ary mbola hanatsara ny vokatra ny ekipa. Nankahery sy nankasitraka ihany koa izy tamin’ny ezaka nataon’ny ekipa ary mbola nitsodrano azy ireo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hotontosaina ny 31 septambra ho avy izao. Tsy hadinony koa ny fanamafisana ny fitondrantenan’ny mpilalao, miisa 44 mirahalahy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.