Flash
Préc Suiv

Niakatra 12,89%: 68,75% ny taham-pahafahana CEPE

68,75% ny taham-pahafahana CEPE ho an’ity taom-panadinana ity, araka ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Any amin’ny Dren Anosy no nitana ny laharana voalohany amin’ny taha 91, 77% ary ny Dren Sava ny ambany indrindra, mahatratra 50,01%. Tao anatin’ny Dren 22, tsy nisy latsaky ny 50% ny taham-pahafahana CEPE na teo aza ny fitokonana nataon’ny mpanabe sasany nandritra ny volana maromaro.

Niakatra ho 12, 89% ny taham-pahafahana CEPE ho an’ny sehatra nasionaly raha mitaha ny tamin’ny taona 2017.

Ho an’ny fanadinana BEPC, nifarana omaly ny fiatrehana izany ho an’ny mpiadina rehetra. Miroso amin’ny fitsarana ny tomponandraikitra amin’ny foibem-pitsarana samihafa. Ny 17 septambra ho avy izao no hiditra amin’ny fanadinana bakalorea ny mpiadina 184 708 manerana ny Nosy. Ny alatsinainy 24 septambra ny dingana faharoa amin’ny bakalorea teknika ho an’ny mpiadina 9 182.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.