Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana – Sakaraha: 504 bachée sy kamiao citerne nifandona, 6 namoy ny ainy

Lozam-pifamoivoizana – Sakaraha: 504 bachée sy kamiao citerne nifandona, 6 namoy ny ainy

Olona efa ho enina ny namoy ny ainy vokatry ny fifandonan’ny fiara roa, tany Sakaraha, ny alarobia hariva teo. Kamiao an’ny Sinoa mpitondra rano sy Peugeot 504 Bachée mpitatitra olona ireto nifandona ireto. Mafy ny fifandonana satria samy rava tanteraka ny fiara roa. Tsy lavitra ny faritra voaaro, Zombitse Sakaraha, ny nisehoan’ny loza. Fiara mpitatitra Manombo Sakaraha ilay P.504. Ilay kamiao kosa, an’ny Sinoa mpitrandraka any an-toerana. Samy nandeha mafy ny fiara roa, raha ny fantatra. Efa nalefa any amin’ny hopitaly any Sakaraha ny maty sy ny naratra.

Tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Tsy mpiseho any an-toerana ny lozam-pifamoivoizana kanefa tratran’izany hatrany kosa ireo fiara mpitatitra rehefa mitranga. Malalaka ny lalana ka mandeha mafy ny fiara. “Tokony samy hitandrina ny rehetra fa lahitokana ny aina”, hoy ny mpitandro filaminana.

Randria

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique