Flash
Préc Suiv

Fikarohana momba ny tontolo iainana: ampirisihina hiditra mpikambana amin’ny SCB ny mpianatra

Fikarohana momba ny tontolo iainana: ampirisihina hiditra mpikambana amin’ny SCB ny mpianatra

Mandray anjara amin’ny fampirantiana momba ny fikarohana hitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena, andiany fahefatra, ny Society for Conservation Biology (SCB) mandritra ny roa andro eny amin’ny Esplanade Ankatso, nanomboka omaly. Fikambanana iraisam-pirenena mampivondrona ny mpisehatra amin’ny fiarovana ny zavamananaina sy ny tontolo iainana ny SCB ary manana solontena eto Madagasikara, hatramin’ny taona 2016. “Mandray amin’ny hetsika eny Ambohitsaina izy ireo, mampahafantatra ny mpianatra eny amin’ny oniversite fa ahitan’izy ireo tombontsoa ny fidirana ho mpikambana amin’ny SCB, sampana Madagasikara”, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana, Rabeson Pascal, teny Ankatso. Afaka mampiasa ireo boky sy antontan-kevitra ao amin’ny SCB ny mpianatra mpikambana. Mety ho anisan’ny hahazo vatsim-pianarana any ivelany koa izy ireo na hisitraka fivahiniana amin’ny fivoriana lehibe momba ny tontolo iainana any ivelany. Ampirisihina, noho izany, ny mpianatra liana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana hiditra ho mpikambana, indrindra raha hiditra amin’ny sehatrasa fiarovana ny tontolo iainana aty aoriana. 30 ny mpikambana amin’ny SCB Madagascar amin’izao fotoana izao, ahitana ny C3, ny Madagasikara voakajy… ary ny mpianatra manomana ny mari-pahaizana « doctorat » amin’ny siansa sy ny tontolo iainana ny ankamaroany.

Tanjon’ny fikambanana SCB iraisam-pirenena ny fampandrosoana ny fikarohana entina hiarovana ny tontolo iainana. Mpikambana midina eny ifotony momba ny asa fikajiana ny tontolo iainana avokoa izy ireo ary miasa amin’ny faritra maro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.