Flash
Préc Suiv

Fiainana antoko: ho eo afovoany ny VITM

Fiainana antoko: ho eo afovoany ny VITM

Nitsangana tamin’ny maty ? « Tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izahay manoloana izao toe-draharaham-pirenena  izao. Tsy nanolotra kandidà ary tsy manohana koa izahay, hatreto”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Vonjy iray tsy mivaky (VITM), Razanabahiny Marojama Christian, tetsy Antaninarenina omaly. Nanteriny fa mbola hisy ny filankevi-pirenena hataon’izy ireo hahafantarana ny zotra politikan’ny VITM amin’ity volana ity.

Ankoatra izany, hidina eny ifotony ny birao politika hamelona indray ny antoko hatrany ifotony ary ho fanomanana izany fihaonambe izany.

Nanterin’izy ireo fa tsy mbola manana hambara izy ireo manoloana izao fikarakarana ny fifidianana izao. Na izany aza, nohitsin’ny VITM fa ilaina hatrany ny fanajana lalàna miainga amin’ny voalazan’ireo rafi-pitsarana samihafa eto amintsika. “Mbola mitazona ny etika politika ny antoko”, hoy ihany izy iteo.

Tsiahivina fa anisan’ny antoko niforona tamin’ny Repoblika II niaraka amin’ny Arema sy ny Udecma ny VITM.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique