Flash
Préc Suiv

Asa soratra sy hira: hasandratra i Abel Andriarimalala

Asa soratra sy hira: hasandratra i Abel Andriarimalala

Andrarezin’ny zavakanto malagasy ! I Abel Andriarimalala, poety, mpanoratra ary mpamoron-kira. Hotanterahina rahampitso tolakandro, ao amin’ny Nosy-TV Behoririka, ny lanonana fanandratana azy. Hetsika fanaon’ny Havatsa-Upem ho an’ny mpanoratra mahavita be eo amin’ny asa soratra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fihainoana ny tononkalo noforonin’i Abel Andriarimalala hantsain’ny mpikambana Havatsa-Upem. Fikaloana ireo hira sanganasany tontosain’ny tarika Abel Andriarimalala.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny faha-66 taona niorenan’ny Havatsa-Upem ity hetsika fanandratana ity. Nanentana manokana ireo olona ho avy eny an-toerana, rahampitso, ry zareo mpikarakara mba hiakanjo ny fitafy malagasy, hanasongadina ny fiteny sy ny fihetsika maha malagasy. Anisan’ny tonon-kira ahafantarana an’i Abel Andriarimalala ny « Raha toa fitia ambaratelo fa tsy ho antsika samy irery… », « … Tsy maninona aho… », « Mahita aho kilazalaza anio e ! », sns.

Marihina fa ankoatra ny maha mpanakanto azy, nampianatra ihany koa i Abel Andriarimalala.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.