Flash
Préc Suiv

Ambatofotsy: tambajotran-dahalo sy vehivavy iray mpamotsy omby halatra

Ambatofotsy: tambajotran-dahalo sy vehivavy iray mpamotsy omby halatra

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Imerintsiatosika tao amin’ny kaominina Miantsoarivo, ny herinandro teo, ireo tambajotran-dahalo ahitana mpandray omby halatra sy vehivavy iray mpamotsy omby halatra amin’ny alalan’ny Fib sy pasipaoro sandoka…

Voasambotry ny zandary, nanomboka ny 3 ka hatramin’ny 5 septambra 2018 lasa teo, ireto tambajotran-dahalo ireto. Very nandritra ny fanafihan-dahalo tao amin’ny kaominina Ambohitrandrano sy kaominina Amboanana, distrikan’Arivonimamo, ny 2 septambra 2018 lasa teo, ny omby miisa 13. Nahazo loharanom-baovao ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Imerintsiatosika, efa tany am-panaovana fisafoana, ny amin’ny fandalovan’ireo dahalo mandroaka omby halatra tao amin’ny kaominina Miantsoarivo, ny 3 septambra 2018. Nanao fikarohana sy ny fanakanan-dalana avy hatrany koa ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambatofotsy. Vokany, tratra tao Ambatofotsy, adiny iray monja taorian’io hetsika io, ny dahalo roa lahy ka nanoro ny namany roa lahy hafa sy ny toerana nandefasan’izy ireo ny omby. Tao Ambatofotsy ihany no hita ny sasany amin’ny omby ka voasambotra ny mpandray halatra iray. Tany Alatsinainy Bakaro sy Sabotsy Namahoana kosa ny sasany ka notanana ireo olona roa nahatrarana izany. Ny fanadihadiana hatrany ny nahafantarana fa vehivavy iray monina ao Andramasina no mpanome sy Fib sy pasipaoron’omby sandoka nahafahan’izy ireo namotsy ireo omby ireo. Voasambotra ny alahady teo izy rehefa nofitahin’ny zandary tamin’ny alalan’ny finday nilaza fa misy olona mitady Fib maika.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.