Flash
Préc Suiv

Tsipy Kanetibe – “Masters 2018”: resy teo amin’ny famaranana ny Malagasy

Tsipy Kanetibe – “Masters 2018”: resy teo amin’ny famaranana ny Malagasy

Tsy nahavita namerina ny anaram-boninahitra azony, tamin’ny taona 2015, amin’ny taranja tsipy kanetibe “Masters”, ny Malagasy. Resy teo amin’ny famaranana indray mantsy i Lahatra sy i Coquelet ary i Tiana (Tonnerre), ny talata lasa teo. Fihaonana, notanterahina tao Istres. Lavon’ny ekipan’i Montoro, tamin’ny isa 13 no ho 5, ry zalahy. Tsy niady ny lalao satria tsy nahatohitra ireo mpifanandrina taminy ry Tiana (Tonnerre). Vao teo am-boalohany, efa nitsoaka ry Montoro. Tsy nitovy tamin’ny endri-dalao nasehony, teo amin’ny manasa-dalana, nandritra “Final four”, ny zava-nisy. Tsy nifameno mihitsy ny taktika sy ny teknika nentin’izy telo mirahalahy niatrika ny famaranana.

Raha hiverenana ny fizotran’ny “Final four », lavon-dry Tiana (Tonnerre), teo amin’ny ankatoky ny famaranana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 3, ry Sarrio, izay noheverina fa “favori”, tamin’ity. Nihevitra ny rehetra taorian’io fandresena io fa tsy ho sarotra amin’ny Malagasy ny handrombaka indray ity “Masters 2018” ity, saingy tsy izay ny zava-nitranga. Ry Montoro indray, nanilika ny ekipa frantsay, nisy an’i Dylan Rocher, tamin’ny isa 13 no ho 9.  Tapitra hatreo izany ny amin’iny fifaninanana iny fa hifantoka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hotanterahina any Canadà, ny 13 – 16 septambra ho avy izao, indray ny mason’ny rehetra.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique