Flash
Préc Suiv

Tapitra ny fitondrana HVM: hisy fampanenoana anjomaram-piara ”Miala  Rajao”

Tapitra ny fitondrana HVM: hisy fampanenoana anjomaram-piara ”Miala  Rajao”

Ora sisa no isaina. Tsy maintsy mametra-pialana ny filoha Rajaonarimampianina, rahampitso. Amin’izany, hisy fampanenoana anjomaram-piara…

Ela niandrasana? Tonga ihany. « Miala Rajao »: tsy avela handalo fotsiny amin’izao ny tsy maintsy hametrahan’ny filoha Rajaonarimampianina fialana, rahampitso, noho ny maha kandidà ho filohan’ny Repoblika azy. Amin’izany, hisy ny fampanenoana anjomaram-piara, amin’ny 12 ora antoandro.

Fanehoana fandresena, fanaovam-beloma.. Izay andikana azy. Ny fantatry ny maro: tonga izay nandrasana sy notakina izay ela izay. Indroa nahazo famindram-po izy. Amin’izao, tsy misy intsony… Teo ny fitsipaham-pitokisana azy, nataon’ny maro anisa teny anivon’ny Antenimierampirenena, taona 2015.

Tamin’iny, narirariran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fotsiny tamin’ny didim-pitsarana hafahafa ny raharaha: tokony hanao fifanarahana andraikitra, hono, ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimierampirenena. Nefa tsy hita izay tohiny sy farany.

Tsy hisy famindram-po intsony

Farany teo, mbola namindra fo tamin’ny didim-pitsarana sampontsampona indray ny HCC,  ny 25 mey: ny praiminisitra sy ny governemanta no nosoloina, raha ny filohan’ny Repoblika no tokony hoesorina noho ny tsy nananganany ara-potoana, 12 volana aorian’ny fianianany, ny Fitsarana avo (HCJ).

Mbola hahita sy hahazo famindram-po indray ve amin’izao tsy maintsy hanaovana fametraham-pialana izao? Izay no hamelomana lakolosy fanairana: fampanenoana anjomaram-piara, rahampitso. Sao harirarira indray ny lalàna? Mahabe resaka etsy sy eroa, ohatra, ny amin’ny fisian’ny karazana vondron’olona na kandidà mitady hirika mafy amin’izay hanemorana na tsy hanaovana ny fifidianana.

Miverina ho olon-tsotra na kandidà tsotra…

Amin’izao fametraham-pialan’ny filoha izao, hitondrany ny anarana hoe filoha teo aloha: miverina ho olon-tsotra tanteraka izy, na kandidà tsotra toy ny rehetra ihany. Tsy misy intsony ny hoe kandidàm-panjakana. Na manan-jo aza izy hahazo mpiambina sy fiaram-panjakana, ohatra, tsy afa-kizaka izany amin’ny maha kandidà azy. Vita ny fifidianana vao azony sitrahana izany.

Tsy azo ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra ny fahefam-panjakana, ny olom-panjakana, ny fitaovam-panjakana… Miala amin’izao fametraham-pialana izao ny maha olom-panjakana azy. Miala tanteraka ny fahefana rehetra, na mpisolo toerana tsy afa-kandray izany fahefana izany aza no hisahana ny raharahany andavanandro. Sambany eo amin’ny tantara izao. Izay koa no hampanenoana anjomaram-piara, rahampitso?     

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.