Flash
Préc Suiv

Mampiray sy ny OM: « Manohana ny tanora izahay »

Mampiray sy ny OM: « Manohana ny tanora izahay »

Tsy vonjy tavanandro fa efa nanomboka ela ny fikarakaranay ny fifanintsanana eo amin’ny baolina kitra ho fitaizana ny tanora, miainga any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny kaominina, distrikan’i Fandriana.  Miara-miasa amin’ny sehatra rehetra izahay”, hoy ny avy amin’ny fikambanana Mampiray sy ny Orimbaton’i Madagasikara (OM), tarihin-dRakotomalala Dina, any amin’iny faritra iny.  Anisan’ny hetsika karakarain’izy ireo ny « Tournoi de vacances” ao Alakamisy, kaominina Tsarazaza. Nifarana, ny alahady teo izany ka nomena valisoa ireo hiakatra any amin’ny kaominina ka teo ireo nahazo fanamiana sy baolina. Ondry mifahy sy kojakoja samihafa kosa amin’ny dingana manaraka.“Mahasintona ny tanora ny lalao karakarain’ny Mampiray sy ny OM. Fitaizana sy fialamboly ka angatahinay tsy handalo izao hetsika izao ”, hoy ny solontenan’ny olobe ao an-toerana. Nampanantena Rakotomalala Dina fa hanajary sy hikarakara miaraka amin’ny tanora any an-toerana ireo kianja filalaovana rehetra ao amin’ny kaominina Tsarazaza.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique