Flash
Préc Suiv

Kardinaly Tsarahazana Désiré: « Tsy manohana kandida ny katolika »

Kardinaly Tsarahazana Désiré: « Tsy manohana kandida ny katolika »

Mazava ny hafatra. “Efa miomana sy mihetsiketsika fatratra ireo kandidà  ho filoham-pirenena. Tsara ny mampahafantatra ary mamerimberina etoana fa tsy manana kandidà ofisialy tohanana na haroso amin’izany fifidianana izany ny fiangonana katolika”, hoy  ny fanambarana nataon’ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré, omaly. Nambarany anefa fa  azon’ ireo vovonana na vondrona na fikambanana maro samihafa amin’ny maha olom-pirenena azy ny mivondrona manohana kandidà, heverina fa afaka hamaly ny filàny sy ny hetahetany. “Manana ny safidiko aho amin’ny maha kardinaly ahy satria olom-pirenena manana zo hifidy sy hisafidy  aho”, hoy ihany ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka  (Fem).

Kandidà nampiasa ny sarin’ny kardinaly   

Notsipihiny manokana fa tsy nahazoana fankatoavana avy aminy ireo  kandidà mampiasa ny sariny na ny anarany na ireo eveka hafa mba atao fitaovana fampielezan-kevitra. Nisy kandidà  filoham-pirenena  iray rahateo araka ny fantatra, sahy nanamboatra kalandrie ahitana ny sariny sy ny kardinaly Tsarahazana ary nanaparitaka izany aty Antananarivo.

Fifidianana ao anatin’ny fitoniana

Nitodika amin’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny tenany, avy eo, amin’izao hiatrehana  ny  fifidianana  izao. “Adidintsika ny mifidy ny kandidà heverintsika fa afaka mampandroso sy mampivoatra marina ny firenentsika. Manentana ny tsirairay mba hifidy an-kalalahana ny olona hitany sy tsapany fa afaka hanasoa ny firenena”, hoy ihany ny kardinaly Tsarahazana Desiré. Manantena ny tenany fa ho ao anatin’ny fitoniana izany fifidianana izany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.