Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo resaky ny mpitsimpona akotry: tetiky ny mpilalao daomy sy ny mpanao katro

Araky ny filazan’ny manam-pahaizana izay nandalina fandinihana momban’ny lalao ifanakalozana eo amin’ny fiarahamonina mahazatra ny olona anivon’ny firenena tsirairay, mitaiza no sady mitory kolotsaina ny tetika ampiasa saina amin’izany lalao izany. Malaza ary miavaka manokana ny fanazaran-tsaina amin’ny fanaovana «échec». Na tsy mifaninana amin’izany aza ny fanaovana katro dia tsy latsa-danja mankaiza ny famolavolany ny toe-tsaina sy ny fandrangitan’ny akingan’ny fandinihana. Toy izany koa ny fampiasan’ny Malagasy ny filalaovana daomy sy karatra «beloty», izay nofolahany amin’ny fametrahana tsipi-dalao mampiavaka ny fomba filalao eto an-toerana. Manginy fotsiny ny vavan’ny mpijery izay mampitombo hafanana ny rivotry ny fihaonana. Heno avokoa ireo torohevitra isan-karazany toy ny hoe «hinana sa hiandry patsa» na ny hoe «araraoty fa tsy mikilaoty»… Raiki-tapisaka tsy nahy ao amin’ny kolotsaina ny fomba fandinihina vokatry ny tetika ampiasaina amin’ny lalao fikasokasohana amin’ny mpiara-belona, ary tazana ombieny ombieny izany ao anatin’ny fanapahana raisin’ny fitondrana ikasika ny raharaha-pirenena. Raha momban’ny fizarana rano sy jiro ohatra no jerena, tazana fa entin’ny fitondrana any amin’ny fanamby ny fandaminana an’izany. Tsy adino ny lokaloka napetraka mikasika ny fanafoanana ny «delestazy» voambolana vaovao raikitra hain’ny rehetra ny dikany. Ny zavatra manahirana anefa dia jiro sy rano no resaka, ny vahoaka no sady atao fitaovana no iharan’ny tetika fampilafilana. Na foana aza ny fitrangan’ny tena delestazy tsy mbola mijanona ny fisehon’ny «omeko tsy omeko». Na eto andrenivohitra aza dia maro ny faritra mbola mampanahirana ny mpanjifa ny fitsitaitaikan’ny rano sy ny fareforefon’ny herinaratra izay zara raha mapitsilopilopy ny firehetan’ny jiro. Heno izao ny fitarainan’ny mponina avy any amin’ny tanan-dehibe maro any amin’ny faritra ny fiverenan’ny fanapahana herinaratra nohon’ny fasahiranan’ny Jirama mikasika ny solika ahafahany ampiodina tsy misy fitsaharana an’ireo motera famokarana. Samy tsy mahafantatra ny marina eo amin’ny fomba fitantanana moa ny rehetra, ka mahazo vahana indray izao karazana tsaho sy fanendrikendrehana izao. Eo ihany moa ny fotoana fihenan’ny rano mampihena ny famokarana herinaratra avy amin’ny tohadrano, fa io koa ny fitsidian’ny fotoa-pifidianana izay tsy ilaozan’ny fisin’ny fanararaotan’ireo mpifaninana amin’ny fifamingapinganana. Asa izay mitetika ahazo tombony amin’ny fahatezeran’ny mpanjifa ? Mbola ny vahoaka ihany no sady antoka no takalo.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique