Flash
Préc Suiv

“Focus cinéma Japon”: hampahafantarana “film” sy zavakanto japoney

“Focus cinéma Japon”: hampahafantarana “film” sy zavakanto japoney

Efa tafiditra ho anisan’ireo hetsika mahakasika ny horonantsary, fanao isan-taona eto an-dRenivohitra, ny “Focus cinéma Japon”, fotoana hampahafantarana ny tontolon’ny sarimihetsika japoney.

Hotanterahina ny 8 septambra izao, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny andiany amin’ity taona ity. Samy manana ny mampiavaka azy avokoa ireo “film” miisa telo, halefa hojerena maimaimpoana, amin’io fotoana io ary ahitana taratra ny haavo lentan’ny teknika sy ny famoronana ananan-dry zareo Japoney, eo amin’ity tontolon-javakanto iray ity. Tsy azo  hadinoina fa firenena matanjaka i Japoney ary anisan’ny ivon’ny fandrosoana, indrindra, eo amin’ny resaka teknolojia. Araka izany, ananany ny fitaovana hiaka farany, mitondra fanatsarana eo amin’ny vokatra.

Hisantatra ny fotoana, mandritra io “Focus cinéma Japon” io, ny « Mameshiba », nosoratan’i Toru Kamei. Horonantsary mampihetsi-po, mitantara ny lalana nodiavin’ny tovolahy iray, mitady ny reniny, izy ity. Mitondra ny lohateny hoe “Personne ne veille sur moi” kosa ny horonantsary faharoa. Ahitana taratra ny fiainana an-tanàn-dehibe, feno tebiteby manoloana ny tsy fandriampahalemana, ity tantara, nosoratan’i Ryoichi Kimizuka, ity.

Hamarana ny fotoana kosa ny horonantsary miaina na « dessin animé », mitondra ny lohateny hoe « Pop in Q » an’i Miyahara Naoki. Marihina fa, ankoatra ny fandefasana ireo horonantsary ireo, hisy koa ny fampahafantarana sy fampianarana karazana kolontsaina sy zavakanto japoney, toy ny « origami » ary fanandramana « kimono ».

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique