Flash
Préc Suiv

« Festival Donia »: hanome laka ireo talenta vao

« Festival Donia »: hanome laka ireo talenta vao

Tsy vao izao akory… Sehatra iray hiakaran’ireo mpanakanto manan-talenta ihany koa ny « Festival Donia » any Nosy Be. Maro ireo mpanakanto lasa malaza eto sy hatrany ivelany, rehefa niaka-tsehatra tao Ambodivoanio tao. Amin’ity andiany faha-25, hotontosaina ny 26 hatramin’ny 30 septambra, ity, fantatra fa mbola hanome sehatra lehibe kokoa ireo mpanakanto vao misondrotra, indrindra ireo zanak’i Nosy Be, ny “Festival Donia”.
Nisy ny fampahafantarana ireo talenta vao izay handray anjara amin’ity, tany an-toerana. Hilatra amin’ireo efa kalaza, toa an-dry Tence Mena, Black Nadia, Fandrama ary Sisca izy ireo. Nampanantena kosa ny komity mpanomana fa homena tsy ho ela ny fandaharam-potoana feno.

Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique