Flash
Préc Suiv

Fanaovana hosoka tamin’ny BEPC: roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Fanaovana hosoka tamin’ny BEPC: roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Naiditra vonjimaika am-ponja rehefa avy niakatra fampanoavana androany tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Fianarantsoa ny roa lahy voalaza ho nanao hosoka tamin’ny fanadinana BEPC, ny andro voalohany. Tao amin’ny ivontoeram-panadinana Joël Rakotomalala no nisehoan’ity tranga ity. Fanoloana mpiadina niatrika ny taranja Malagasy, ny alatsinainy lasa teo no iampangana azy ireo, ka ny iray ilay nosoloina ary ny iray ilay nanolo. Tra-tehaka ny hosoka nataon’izy ireo taorian’ny fisavana karapanondro nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’io ivontoeram-panadinana io, araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly.

Hifarana anio amin’ny taranja tenim-pirenena vahiny, anglais na alema na espaniola ny adina ho an’ny BEPC, anio ho an’ireo nisafidy ny sokajy A. Mahatratra 171 715 izy ireo manerana ny Nosy. Omaly, ny taranja tantara sy jeografia ary ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona no natrehin’ireo mpiadina fanadinana BEPC ny tapany maraina. Naharitra ora telo izany. Ny taranja fizika kosa ny tolakandro. Vita omaly ny fanadinam-panjakana ho an’ireo sokajy B, 176231 mianadahy.

“Miankina amin’ny fizotry ny fitsarana ny kopia no hamoahana ny valim-panadinana”, hoy ny tomponandraikitra. 167 ny foibem-pitsarana manerana ny Nosy izay tsara ambin’ny mpitandro filaminana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.