Flash
Préc Suiv

Fahatongavan’ny iraka, i Ramtane Lamamra: mitaky ny tsy maintsy hanaovana fifidianana ny iraisam-pirenena

Tsy maintsy  hirosoana. Fantatra araka ny loharanom-baovao  avy amin’ireo masoivoho  vahiny miasa  sy monina eto amintsika fa anisan’ny anton-dian’ny  iraky ny Vondrona  afrikanina  (UA), Ramtane Lamamra eto amintsika ny hiatrehana ny fifidianana. “ Hitady ny fomba rehetra  hahatontosa hatramin’ny  farany ny fifidianana araka  ny tetiandro efa voatondron’ny lalàna ny hahatongavan’ny iraka  avy amin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena eto”, hoy ny masoivoho vahiny iray. Nivory teny Ankorondrano, eny amin’ny foiben’ny UA ny fiandohan’ity herinandro ity  ireo  ambasadaoron’ny firenen-tsamihafa sy ny solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena nifampidinika momba izany sady manomana ny hahatongavan’io iraka avy amin’ny UA io. “Tsy manana fanahiana  izahay manoloana ny hiatrehana ny fifidianana, saingy tokony  harahi-maso  hatrany kosa  ny fizotry ny fanomanana sy ny fikarakarana  rehetra”, hoy ihany izy ireo.

Tsiahivina fa tsy mankasitraka ny hanemorana ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin’ny Avi, Ratsirahonana Norbert Lala ary mitsipaka marindrano  tsotra izao koa ny amin’ny mety ho  fifampiraharahana momba izany.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.