Flash
Préc Suiv

« Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe »: « Tokony hisy ny tohiny », hoy i Hajaina

« Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe »: « Tokony hisy ny tohiny », hoy i Hajaina

Niainga teo anoloan’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, nandalo ny Garan’i Soarano, niafara teny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely… Notanterahina, omaly, ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » nokarakarain’ny Havatsa-Upem. « Tokony hisy tohiny ny hetsika tahaka izao satria efa noraiketinay ho « Andron’ny haisoratra ny 6 septambra », hoy i Hajaina Andrianasolo, filoha am-perinasan’ity fikambanana mandia ny faha-66 taony ity. Nomarihiny fa tratra ny tanjona. « Naseho tamin’ny olona rehetra fa mila haverina ny fitiavana mamaky boky. Ilaina ny mamaky boky na eo aza ny teknolojia samihafa… Mety ho any am-piangonana, angamba, sisa isika mamaky boky amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny Fihirana », hoy hatrany i Hajaina. Marihina fa nisy ny fizarana boky ho an’ny zandry sy ny zoky indrindra nandray anjara tamin’ity dia rodobe ity, teo amin’ny Tahala Rarihasina tamin’ny fahatongavana.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique