Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Mikatona nanomboka ny 1 septambra teo ka hatramin’ny 31 oktobra 2018 ny jono an-dranomamy ao amin’ny farihin’Itasy. Nandray izany fanapahan-kevitra izany ny minisiteran’ny Jono sy ny harena an-dranomasina ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny rehetra : mpanjono sy izay rehetra mivelona amin’izany. Fanatodian’ny trondro io fotoana io, araraotina miaraka amin’izany koa ny fanondrahana zana-trondro sy fanatsarana ny farihy. Nilaza ny minisitera fa ho hentitra ny fanaraha-maso.

Vita ny tohodrano afaka manondraka tanimbary 90 ha ao amin’ny kaominina Ampihimanga, distrikan’Arivonimamo. Niantoka ny asa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana amin’ny alalan’ny Tahiry fikojakojana ny lakandrano. Nentina nanampiana ireo tantsaha any an-toerana mpikambana amin’ny fampiasan-drano ny fanomezana azy ireo masomboly tsaramaso 500 kg sy zezika 300 kg hanaovana voly avotra.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique