Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: niatrika ny famaranana ny Malagasy

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: niatrika ny famaranana ny Malagasy

Notanterahina, omaly talata 4 sepatmbra tao Istres, Frantsa, ny «Final four», niadiana ny “Masters 2018”, taranja tsipy kanetibe. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy satria niatrika ny famaranana tamin’izany i Coqulet sy i Lahatra ary i Tiana (Tonnerre). Resin’izy telo mirahalahy teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 3, ny ekipan’i Sarrio, nisy ilay Malagasy, Andriantseheno Christian (Racle).

Tsy nampoizin-dry Sarrio sy ireo mpijery tonga marobe tany an-toerana mihitsy ny endri-dalao nasehon’ny Malagasy. Nifameno tsara ny teknika sy taktikan’izy teo mirahalahy. Nitarika anisa hatrany ny Malagasy. 3 no ho 0 ny isa teo amin’ny “mène” telo voalohany. Taorian’io vao nahazo isa iray ry Sarrio. Nitarika 7 no ho 1 kosa avy eo ny Malagasy, saingy niezaka nanarina indray ry Sarrio ka lasa 8 no ho 3 ny isa. Nosoloina Racle taorian’io ka nampidirina i Damien Hureau. Tsy nampiova na inona na inona anefa izany fa vao mainka aza nanome vahana ny Malagasy, izay tsy nijanona raha tsy tany amin’ny isa 13. Efa-taona aty aoriana ny nandrombahany ity “Masters” ity indray vao tonga amin’ny famaranana ny Malagasy. Hifandona amin’izay mpandresy eo amin’ny ekipan’i Frantsa sy i Montoro ny Malagasy. Vokatra izay tsy mbola azo hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.