Flash
Préc Suiv

TGV Amparafaravola: « Mbola miavaka ny IEM »

TGV Amparafaravola: « Mbola miavaka ny IEM »

Toa ny kandidà Rajoelina no anaovan’ny sisa ady ankarimbona? “Hazo avo, halan-drivotra”, hoy ny mpitarika ny TGV Amparafaravola, Rajaonarivelo Andry Nirina. Mahavariana tokoa io fisehoan-javatra io.”Mbola ho ory hava-manana foana kosa ve  isika?”, hoy  ihany izy. Nomarihiny fa misy fomba fanao politika vaovao nentin’ny kandidàn’ny TGV tamin’ity. Sambany nisy mpanao politika, mbola tsy nisy resaka fifidianana nefa efa namakafaka, naminavina ny IEM, fomba tsara omana hampandroso ny firenena. “Ny politikan’ny kibo”, ny”Boky mena”, “Ny ahy ny vahoaka”, “ny Map”… efa am-perinasa, foana hatramin’izay,  vao nihazakazahana narafitra ireny”. Ho avy ny fotoan’ny fampielezan-kevitra: samia manao  ny hahabotrabotra ny azy. “Tsy misy antony ifanenjehana!”. Nomarihin-dRajaonarivelo Andry Nirina fa efa ela  ny nijoroan’ny TGV-Mapar any Amparafaravola. Manomboka aty amin’ny distrika, kaominina, fokontany… na kartie akory aza. Manampy izany koa ny fitsanganan’ny ny KMD, ny KMK, ny KMF, ny CFANR, ny TMH, ny ALG, ny mpamboly, mpitatitra… indrindra ny vehivavy.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.