Flash
Préc Suiv

Mitondra Kalachnikov sy P.A: eny an-tokotanin’ny tobi-miaramila no manao fanazarantena ny jiolahy

Mitondra Kalachnikov sy P.A: eny an-tokotanin’ny tobi-miaramila no manao fanazarantena ny jiolahy

Nanaovan’ny jiolahy fanazarantena tamin’ny alalan’ny fandrobana olona iray teo an-tokotanin’ny tafika, 1/RM 3 etsy amoron-dranomasina, izay misy ny Cercle mess teo aloha ao amin’ny fokontanin’Analankinina Hopitalibe, ny alatsinainy tolakandro teo…

Tsy nisy olona afa-nandalo, na iray aza, ao amin’ity tokotany malalaka be ity na ireo olona hanatitra sakafon’ny marary ao amin’ny hopitaly aza fa voaambana basy Kalachnikov sy PA avokoa ary tsy nisy basy nipoaka. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nisy raim-pianakaviana iray nipetraka tamina vodihazo iray tao amin’io faritra io. Tampoka teo, nisy fiara 4×4 roa sy moto Scooter roa tonga. Nivoaka avy ao anaty fiara ny olona iray nitondra basy Kalachnikov sy PA ka nandrahona ireo olona teo amin’ny manodidina. Nosamborin’izy ireo avy hatrany ilay lehilahy nipetraka teo am-bodihazo ary nakarin’izy ireo tao anaty fiara ka lasa nirifatra nitsoaka izy ireo ary nanaraka avy ao aoriana ilay moto. Tao anatin’ny fotoana fohy ny nanatanterahan’ireo jiolahy ity karazana fakana an-keriny hafa kely ity. Hitan’ny fokonolona teo an-toerana hatramin’ny miaramila teo amin’io toerana io ny fihetsik’ireo jiolahy izay tsy natahotra mihitsy. Raha ny fahitan’ny olona izany, efa mihantsy ny tafika mihitsy ireo jiolahy ka sahy manao fanazarantena amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika eny an-tokotanin’ny Tafika malagasy.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique