Flash
Préc Suiv

Miarinarivo: any am-bilany vao hita ny henan’ireo omby halatra

Miarinarivo: any am-bilany vao hita ny henan’ireo omby halatra

Nitrangana fanafihan-dahalo tao Ambodimanga, fokontany Ambohimanambola, distrikan’i Miarinarivo, ny alin’ny 25 hifoha 26 aogositra 2018 lasa teo. Lasan’ny malaso tamin’izany ny omby ampolony. Nanara-dia ny zandary ao Analavory sy ny miaramila ao amin’ny 1/RM1/CCR/DET Sakay. Tafaverina nandritra ity fanarahan-dia ity ny omby miisa valo. Ny 28 aogositra 2018, nahazo loharanom-baovao ny zandary fa ao Mahatsinjo Ambalanirana ireo omby dimy sisa tavela. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary ka tratra tao amina tokantrano miisa dimy ireo hena izay efa any anaty vilany sy natao kitoza ny sasany. Olona miisa dimy indray voasambotra ahina ho tompon’antoka amin’ity halatra omby ity ka natolotra ny fampanoavana ao Miarinarivo. Nanao antso avo amin’ireo mponina ao Analavory sy ny manodidina ny zandary hampandre haingana raha vao misy tranga hafahafa na koa hiantso ny laharana maitso 119.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique