Flash
Préc Suiv

Kitra – «The best Fifa 2018»: hiady ny amboara i Mohamed Salah

Kitra – «The best Fifa 2018»: hiady ny amboara i Mohamed Salah

Namoaka ny anaran’ireo telo mirahalahy, hiady ny amboaran’ny mpilalao baolina kitra mendrika “The best Fifa 2018”, ny federasiona iraisam-pirenena. Anisan’ireo hiady izany ilay Egyptianina, i Mohamed Salah.

Izay indray vao nisy mpilalao baolina kitra afrikanina hiady ny “The best Fifa Award 2018”. Tsy araka ny efa mahazatra satria tsy nahitana ireo mpilalao efa fanta-daza hiady izany. Tsy anisan’ireo ao anaty lisitra ilay Arzantin, i Messi, sy ilay Brezilianina, i Neymar. Telo mirahalahy no hifaninana, amin’ity andiany 2018 ity.

Eo ilay Portiogey, i Cristiano Ronaldo, mpilalaon’ny Juventus de Turin sy ilay Kroaty, i Luka Modric, irakiraka mpanafika ao amin’ny Real Madrid ary ilay Egyptianina, i Mohamed Salah, ao amin’ny Liverpool. Tsy ny famonoam-baolina loatra ny mason-tsivana nifantenana azy ireo fa ny fahaizany. Heverin’ny rehetra fa mety mbola ho lasan’i CR7 indray izany, amin’ity.

Ankoatra izay, telo ihany koa no hifaninana eo amin’ny vehivavy: ilay Norvezianina, i Ada Hegerberg, milalao ao amin’ny Olympique Lyonnais. Eo koa ilay teratany alemà, i Dzsenifer Maroszan, ao amin’ny Olympique Lyonnais ihany koa ary ilay Brezilianina, i Marta, ao amin’ny Orlando Pride.

Frantsay mirahalahy kosa ny hifampitana eo amin’ny mpanazatra: i Didier Deschamps, mpanazatra ny ekipa frantsay, nandrombaka ny ho tompondaka eran-tany 2018, sy i Zinedine Zidane, nahazo ny “Ligue des champions 2018”, niaraka tamin’ny Real Madrid ary ilay Kroaty, i Zlatko Dalic, nitondra ny ekipam-pirenen’i Kroasia, teo amin’ny famaranana ny “Mondial 2018”.

Ho fantatra, amin’ny alatsinainy 24 septambra, ao amin’ny Royal Festival Hall, ao Londres, izay handrombaka ny fandresena.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.