Flash
Préc Suiv

Indray mijery

82% ny taham-pahafahana CEPE ho an’ny foibem-panadinana ao Anosibe an’Ala namerina tao anatin’ny « session » manokana, ny 28 aogositra teo. “Somary ambany ny tahan’ny mpiadina tonga niatrika ny fanadinana tamin’io fotoana io”, hoy ny minisitry ny Fanabeazana, i Horace Gatien. Efa mitohy ny fanadihadiana momba ny tsy fahatomombanana nitranga tamin’ireo foibem-panadinana ireo ka tsy nahatonga ny laza adina tany an-toerana. Tsy maintsy misy ny fepetra horaisina manoloana ny hadisoana nataon’ny mpiasa voakasiky ny raharaha.

Natolotra eny amin’ny HJRA, ny fiandohan’ny herinandro, ny fitaovana fitsaboana tsy mampiasa “mercure” ho an’ny hopitaly na toeram-pitsaboana enina mendrika. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny fampihenana ny fampiasana ny “mercure” eo amin’ny fahasalamana. Natomboka ny taona 2016 ny tetikasa ary tanterahina amin’ny firenena aty Afrika. Ahitana ny singa “mercure” amin’ny fitaovam-pitsaboana izay mety hiteraka fanapoizinana ho an’ny marary ampiasana azy.

 

Les commentaires sont fermées.