Flash
Préc Suiv

FLM Andriankely: nahazo tafo ny fiangonana

FLM Andriankely: nahazo tafo ny fiangonana

Nahazo tafo mitentina 5 tapitrisa Ar ny FLM ao Andriankely Tsarazaza any Fandriana. Notanterahina ny herinandro teo, nandritra ny isan-taona faha-26 eo anivon’ny synodam-paritany Fisakana (Spafi), ny fanolorana izany, tamin’ny alalan’ny fikambanana Orimbaton’i Madagasikara  (OM). Nahafaly ny  FLM  izany.  Misy mijery ary heverina fa valim-bavaka izao fahazoana ny tolotra izao. “Asa lehibe ny nataonareo ka anehoanay fankasitrahana”, hoy ny pastora Randriamandimbison Alfred. Nanambara ny fisokafan’ny fikambanana amin’ny fiangonana kosa ny mpitarika ity fikambanana ity any amin’ny distrikan’i Fandriana, amin’ny alalan-dRakotomalala Dina.“Tokony ho vaindohan-draharaha ny mifanohana amin’ny fiangonana amin’ny asa fitaizam-panahy hananana olom-pirenena vanona raha hanova ny bokin’i Madagasikara”, hoy izy.

Tsiahivina fa nifarana ny alahady 2 septambra teo ny isan-taon’ny Spafi ary maherin’ny 3 000  ireo mpino niatrika izany. Miroborobo ny fitaizam-panahy sy fampianarana kristiana any amin’iny faritra iny.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique