Flash
Préc Suiv

Fikojana ny volo: be mpitia ny vokatra voajanahary

Fikojana ny volo: be mpitia ny vokatra voajanahary

Maro  ny tanora mirotsaka amin’ny famoronana asa ho an’ny tenany. Anisan’izany Rajaonarisoa Ranaivo Hanta Tiana, mitrandraka ny akora voajanahary avadika ho vokatra.

Tafiditra amin’ny fitrandrahana ataony  ny hikoloana ny vatana, tarehy ary ny volo. Ny taona 2011 no nivoaka voalohany ary naparitaka eny amin’ny tsena anatiny ny vokatra Flore Aroma ahosotra amin’ny hoditry ny vatana hiarovana amin’ny kaikitry ny moka. “Efa nanao fangatahana “certification bio” momba io vokatra io any amin’ny Ecocert izy satria miaro ny tontolo iainana ny vokatra ary akora voajanahary avokoa ny nanamboarana azy”, hoy ny nambaran’ny mpitantana ny Flore Aroma.

Amin’izao fotoana izao, namoaka vokatra 13 vaovao ny orinasa tantaniny ary mbola akora voajanahary toy ny baobab, ny voanio, ny vahona, ny ravintsara no kirakirainy hamokatra vokatra samihafa hikojana ny tarehy sy ny volo. Nanao fikarohana sy andrana maro izy ireo vao namoaka ny vokatra ho an’ity taona ity, haparitaka amin’ny tsena efa mahazatra ny mpanjifa.

Miantoka ny fahatsaran’ny vokatra ny kalitaon’ny akora nosafidina ary miezaka mitady izany hatrany izy. Efatra ny olona mampihodina ny orinasa. Nambarany fa manomboka mahasarika ny Malagasy ny manjifa ny vokatra vita amin’ny akora voajanahary satria zakan’ny vatana kokoa raha mitaha amin’ny vokatra ahitana singa simika.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique