Flash
Préc Suiv

Antsirabe: jiolahy 11 tratra niaraka tamin’ny basy Kalach

Antsirabe: jiolahy 11 tratra niaraka tamin’ny basy Kalach

Ravan’ny polisy avy ao amin’ny Commissariat Central Antsirabe, afakomaly ireo tambajotran-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Antanety Antsirabe, ny 1 septambra tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Miisa 11 ireto tambajotran-jiolahy saron’ny polisy ireto izay ahitana vehivavy iray sy mpitandro filaminana iray. Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, lehilahy iray voatitifitra teo amin’ny tongony nandritra ity fanafihana ity izay nahaverezana entana sy vola 2 tapitrisa Ar. Niantso ny polisin’ny UIR sy ny zandary avy hatrany ireo niharan’ny fanafihana taorian’izay. Teo anelanelan’’izay anefa, nisy jiolahy iray mitam-piadiana efa voasambotry ny fokonolona. Fotoana fohy taorian’izay koa, tonga teny an-toerana ny polisy sy ny zandary nisambotra ilay jiolahy. Nisy ny fanadihadiana niarahan’ny polisy sy ny zandary ka nahasamborana ireo jiolahy miisa 11 ireo. Tratra tany amin’izy ireo koa ny fitaovam-piadiana toy ny poleta miisa telo (roa amin’ireo vita gasy) ary basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny odigasy.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique