Flash
Préc Suiv

Airtel Madagascar: mpanjifa iray notolorana fiara Fiat Punto

Airtel Madagascar: mpanjifa iray notolorana fiara Fiat Punto

Ny faran’ny herinandro lasa teo ny namoahan’ny Airtel Madagascar ny valin’ny lalao “Fun Quizz” faha-27, naharitra telo volana. Nahazo ny loka voalohany  Ranaivoson Herivola, notoloran’ny tale jeneralin’ny Airtel,  i Maixent Bekangba, fiarakodia vaovao Fiat Punto.

« Vokatry ny faharetana izao fahombiazana izao, ary ity loka lehibe nomena ahy ity, vokatry ny hetahetako hatramin’izay handresy amin’ity lalao ankafiziko ity », hoy Ranaivoson Herivola, nisaotra feno ny ekipan’ny Airtel sy nampirisika ny mpampiasa Airtel handray anjara amin’ny lalao.  « Tsy vazivazy na fandrebirena izany », hoy izy. Ao koa ireo nahazo loka hafa, toy ny vata fampangatsiahana, fahitalavitra, sns.

Natomboka ny taona 2010 ny lalao ary efa nahazoan’ny mpanjifa maro tombontsoa sy mbola hanomezana tombontsoa hatrany ireo mpanjifa telo tapitrisa manerana ny Nosy. «… Eo ny fihariana ataonay fa ankoatra izany, manabe sy afaka manatanteraka ny fanirian’ny mpanjifa ny lalao”, hoy ny tale jeneraly. Efa manomboka izao ny andiany faha-28, alefaso sms ny “Fun” amin’ny laharana 033 56 000 30 hahitana ny antsipiriany rehetra.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique