Flash
Préc Suiv

Vatoavo – Ambalavao: tratra ireo jiolahy nanafika fiara nitondra volan’ny orinasa iray

Vatoavo – Ambalavao: tratra ireo jiolahy nanafika fiara nitondra volan’ny orinasa iray

Notafihin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana teo amin’ny fiakaran’i Vatoavo, 9 km avaratr’Ambalavao Tsienimparihy, ny alakamisy hariva teo, ny fiara nitondra ny vola 8 tapitrisa Ar an’ny orinasa iray…

Tompon’antoka tamin’ny fanakanan-dalana ny jiolahy miisa sivy ka nikasa handroba ilay fiara nitondra vola tamin’io fotoana io. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana, nahazo antso avy hatrany ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Ambalavao ka niditra haingana teny an-toerana. Voasambotra tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy antsoina hoe Laody. Tamin’ny famotorana nataon’ny polisy azy no nahafantarana ireo namany (mipetraka ao Fianarantsoa) niray tsikombakomba taminy nanao ilay fanafihana. Ny zoma maraina, niroso tamin’ny fisamborana ireo namany indray ny polisy. Ny telo tamin’izy ireo, tratra tao Fianarantsoa izay samy niaiky ny heloka vitany. Nandritra ny famotorana ireo voasambotra ireo, fantatra fa ilay mpamily sy ny vadiny ihany ny atidoha nikotrika ity asa ratsy ity. Voalazan’ny polisy fa efa enin-taona niasana tao amin’ilay orinasa ilay mpamily ka mahafantatra ny fisian’ny volabe entin’ny fiara miaraka aminy isan’andro. Nandritra ny famotorana ihany koa ny nahafantarana fa antony tsy nahatanteraka ilay fikasan-dratsin’ireo jiolahy ny fisiana taksiborosy iray mampitohy an’Antananarivo sy i Toliara nanaraka avy aorian’ilay kamiaon’ny orinasa ka tsy sahy nijanona ilay fiara na efa voatora-bato aza. Tsy sahy nijanona ilay fiara satria miharihary avy hatrany ny firaisana tsikombakomba ka naleony mody nandeha ihany. Voatora-bato ilay taksiborosy ka vaky fitaratra ary nisy mpandeha naratra tao anaty fiara.

J.C

Les commentaires sont fermées.