Flash
Préc Suiv

Tselatra

Hiakatra fitsarana anio ilay raharaha fitifirana olona teny Anjahanary, ny 23 jona 2011. Maty voatifitry ny polisin’ny GIR tamin’izany fotoana izany ilay niharam-boina. Nanao fihetsiketsehana ho fanoherana izany anefa ny fianakaviany ary nilaza fa tsy mpangalatra ilay olona niharan’ny tifitra nataon’ny polisy. Nametraka fitoriana ny fianakaviana, saingy tsy nisy valiny izany, kanjo izao hiakatra eny amin’ny fitsarana izao indray ny raharaha. Matoky ny fitsarana amin’ity raharaha ity ireo fianakaviana mba hitsara araka ny tokony ho izy.

Les commentaires sont fermées.