Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny dihy – « Festival 321 »: hisongadina androany ny dihin’olon-droa…

Tontolon’ny dihy – « Festival 321 »: hisongadina androany ny dihin’olon-droa…

Nosokafana, omaly etsy amin’ny Ortana Antaninarenina, ny andiany faha-3 amin’ny “Festival 321”. Raha somary niompana tamin’ny dihin’olona maro ny maraina, narahina dihin’olon-tokana ny tolakandro teny amin’ny studio KalaAmbohijatovo, ny seho, omaly, hisongadinan’ny dihin’olon-droa sy ny dihin’olon-telo kosa ny anio. Ao amin’ny CGM Analakely, ahitana ny « Trio » Kaompania Jiny, ny Trio Kaompania Leba ary ny Groupe Madagascar Mix Dance. Ny tolakandro, eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely kosa, dihin’olon-droa hiarahana amin-dry Lovatiana Rakotobe sy ry Géraldine Leong Sang, ny Kaompania Rary. Na izany aza, ho tazana eny an-toerana ihany koa ny talenta mandeha irery an’i Charline Tombo.

Tsiahivina fa ny kaompania Lovatiana sy ny kaompania Rary no mikarakara ny “Festival 321”. Anisan’ny tanjona lehibe tratrarin’izy ireo amin’izany ny hikaroka sy hamoitra ary haneho ireo tanora manan-talenta amin’ny dihy.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique