Flash
Préc Suiv

Toamasina: enin-dahy voasambotra, nikasa hanolana ny reniny ny iray

Voasambotry ny polisy tany Toamasina, ny tovolahy enina, mpanendaka ikoizana any an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Ny iray tamin’ireo, notorian’ny reniny fa zanany saika hanolana azy ihany. Voalaza fa nitondrany ireo namany ireo mihitsy ilay reniny. Efa tafala ny fitafiany, raha ny fanazana, saingy henon’ny olona ny antso vonjy ka nanavotra azy. Tafatsoaka kosa ireo olon-dratsy.

Fantatra fa ikoizan’ny fokonolona manodidina ny fokontany Ankirihiry, tanambao fahadimy, Mangarivotra ary indrindra amin’ iny manamorona ny godorao manaraka ny bazary may. I

Ludovic na fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe Tantely, jiolahy mbola tanora vao 25 taona monja fa efa imbetsaka no voasambotry ny polisy. Noho ny tsy fisian’ny mpitory anefa, tsy voahazona ela any am-ponja izy io.

Nanamabara ny kaomisera, Razafindahy Manitra, kaomiseran’ny polisy any Bazary kely fa voasambotra nandritra ny fisafoana nataon’ny Uir ireo jiolahy ireo. Nohamafisiny hatrany fa

mpanendaka manerana ny toerana misy fandihizana amin’ny alina sy karaoke ireo enina mirahalahy ireto

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.