Flash
Préc Suiv

Raharaha Imerintsiatosika: hanenjika izay mpanely tsaho ny zandary

Nanao fanamarihana ny avy amin’ny zandarimaria fa hanenjika ireo olona manely tsaho ny amin’ny resaka fakana vola nataon’ny zandary tamin’ny fianakavian’ireo olona telo mianaka nisy namono tany Imerintsiatosika. Nandeha mantsy ny feo sy ny fanaparitahana tamin’ny tambajotra sosialy fa naka volabe ny zandary tamin’ny fitsirihana ny ADN tamin’ny ra hita tamin’ireo akanjo tany an-toerana.

 “Tsy nisy na ariary aza notakina na nalain’ny zandary tamin’ireo fianakaviana mikasika ny fitsirihana ny ra hita tamin’ny akanjon’ilay voarohirohy izay efa voatana eny Tsiafahy. Hanenjika hatramin’ny farany ireo mpanely tsaho manakorotana ny saim-bahoaka ao amin’ny tamba-jotran-tserasera ny mpanao famotorana », hoy ny zandary.

Nilaza ireto farany fa ny vola notakin’ny hopitaly tamin’izany aza, mbola avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary avy any Itasy izay tsy fantatry ny fianakaviana akory. “Manentana ny rehetra mba tsy handray ambolony, tsy handairan’ny tsaho toa izany. Efa misy ny fepetra raisina manoloana ity tranga ity. Mandeha ny famotorana”, hoy ny zandary.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.