Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hetsika fanamafisana ny Andron’ny vaksiny lefakozatra andiany faha-14 (Fav polio 14), hotanterahina ny 26-27-28 septambra ho avy izao ho an’ny faritra Analamanga,  Vakinankaratra, Bongolava, Sava, Menabe, Melaky, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Androy, Atsinanana ary Atsimo Atsinanana. Fotoana hahafahana mitondra ny zaza manao maimaimpoana vaksiny hiadiana amin’ny aretina lefakozatra izany.

Hanjaka tanteraka eto amin’ny Nosy ny tsioka avy any atsimo atsinanana na ny alizay, mandritra ity herinandro ity (3 hatramin’ny 9 septambra). Noho izany, ho mafimafy ny rivotra. Handrahona sy hanorana malefaka ny ilany atsinanana sy avaratra atsinanan’i Madagasikara ary arahina rivotra somary mafy izany amin’ny ny faritra avo (Sava, Analanjirofo, Atsinanana). Hanerika kosa any Alaotra Mangoro sy any Sofia. Hisy ny orana tandrifin-drahona any Melaky sy any Menabe amin’ny fiafaran’ny herinandro. Hibaliaka ny masoandro amin’ny faritra hafa. Hisy fidinany tsikelikely ny maripana ambony amin’ny faritra avo. Manodidina ny 12 – 21°C ny maripana ny maraina ary 16 – 32°C ny tolakandro.

 

Les commentaires sont fermées.