Flash
Préc Suiv

Baolina kitra: hanomana hetsika ny Alefa Barea

Baolina kitra: hanomana hetsika ny Alefa Barea

Manao ny ezaka amin’ny hanohanana ny Barea ny fikambanana Alefa Barea, eo amin’ny fiatrehana ny lalao hifandonana amin’i Sénégal, ny alahady 9 septambra ho avy izao etsy  Mahamasina. Hisy ny fihaonambe hiantsoana ireo mpitia baolina rehetra vonona hanohana ny ekipantsika, hatao ao amin’ny EPP Antsahabe ny asabotsy 8 septambra ho avy izao. Hiarahana mamerina ny hiaka sy ny tehaka ary ny hira amin’izany fanohanana izany. Afaka mitondra ny heviny sy ny anjara birikiny na hevitra hanatsarana ny fanohanana ny Barea ny fikambanana Alefa Barea, hahazoana fandresena. Tsy manavaka ny Alefa Barea fa rehefa vonona hiara-dia amin’izy ireo, raisiny avokoa. Tsiahivina fa mbola mitohy ny fivarotana ny fanamiana Alefa Barea, jifaina 25 000 Ar ny loko fotsy ary 30 000 Ar ny menamena ary ny 8 000 Ar ny « écharpe », azo jerena eny amin’ny Botika Alefa Barea eny Antsahabe sy ao amin’ny « Facebook Alefa barea » ny andinindininy.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.