Flash
Préc Suiv

Antananarivo-Fianarantsoa: zotran-dalamby vaovao

Antananarivo-Fianarantsoa: zotran-dalamby vaovao

Natao sonia tany Beijing Sina, ny 2 septambra teo, ny fifanarahana firaiketana an-tsoratra eo amin’i Madagasikara sy ny orinasa China Road and Bridge Corporation (CRBC). Voarakitr’izany ny hanokafan’ity orinasa sinoa ity zotran-dalamby vaovao hampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa. Fantatra koa fa efa atao ny fanadihadiana hanavaozana sy hanarenana ny zotra Fianarantsoa mankany Manakara (FCE), sy ny Moramanga-Toamasina.

Manampy ireo, ny hananganana seranan-tsambo any Antsiranana. Hamatsy vola ireo asa ireo  ny banky sinoa Exim bank sy ny mpiara-miombon’antoka vahiny hafa. Avy amin’ity banky ity koa ny hanarenana ny lalana RN 5A (Ambilobe-Vohemar), ny rocade Ambohitrimanjaka-Ambohidratrimo, sns.

Voalaza koa fa efa vita sonia ny fifanarahana famatsiam-bola hanamboarana ilay arabe migodana (autoroute) mampitohy an’i Toamasina-Antananarivo. Hiaraka hanao ny asa ny orinasa Anhui Foreign Economic Construction Group Co (AFECC) sy ny Sogecoa.

Hanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), mampitohy an’i Toamasina-Fenoarivo Atsinanana ny Tahirim-boa hikojakojana ny lalana (Fer) sy ny mpamatsy vola hafa. Hivoaka mialoha ny faran’ny volana oktobra ny vola ary hanomboka ny asa avy eo.

Tena andrasan’ny vahoaka ny fanatanterahana ireo rehetra ireo ary tsy hanaovana azy ho fitaovana politika.

Randria

Les commentaires sont fermées.