Flash
Préc Suiv

Acces-Banque-“Schoolarship”: vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra

Mikarakara hetsika manokana, “Schoolarship”, hitsinjovana ny mpianatra, ny Accès Banque. Mandray antontan-taratasy, nanomboka ny 1 septambra teo ary hifarana ny 16 septambra, hanaovana sivana ho an’ny tanora manana Bacc sy ny Bacc+2. Hisy ny fifaninanana maromaro ho azy ireo, manomboka amin’ny volana oktobra sy novambra, hatomboka eto Antananarivo ary hotohizana any amin’ny faritra hafa. 30 ny isan’ny mpianatra horaisina hahazo ity vatsim-pianarana Schoolarship ity, ahafahany miatrika ny fianarana ataony eny amin’ny ambaratonga ambony isan-tsokajiny avy (L3, M1, M2,  …). Voakasik’izany ny sampam-pianarana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana (agronomie), ny fitantanana (gestion), ny fitarihana (management), ny fampiroboroboana ny varotra (marketing), sns.

Hiatrehana ny sehatry ny asa

Ankoatra ny fiatrehana ny fianarana, hahazo fanofanana momba ny asa koa ny mpahazo tombontsoa amin’ny lafiny asa, indrindra ny sehatry ny banky, ny fitantanana, ny varotra, sns mandra-pahavita ny fianarany. Nilaza ny tompon’andraikitry ny lafiny fampandrosoana ao amin’ny Acces Banque, Rtoakely Randrianarivelo Mihary, fa nahatonga ity hetsika ity ny fahatsapan’izy ireo fa tsy ampy ny fahaiza-manaon’ny tanora raha vao hiditra amin’ny sehatry ny asa raha oharina ny amin’ny fianarana norantoviny.

Tsiahivina fa mandray mpianatra asa manodidina ny 200 hatramin’ny 300 isan-taona ity banky ity satria tsy mitsaha-miitatra any amin’ny faritra ihany koa.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.