Flash
Préc Suiv

Toliara: maty voatifitra i Tsianisiha sy Rebona

Toliara: maty voatifitra i Tsianisiha sy Rebona

 Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny fokontany Antso Toliara, ny zoma teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Tsianisiha sy Rebona, nandritra ny hetsika manokana nataon’ny zandary. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, maro ny fanafihana efa vitan’ireo dahalo ireto ka isan’ny tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny ben’ny Tanàna iray any an-toerana ry zalahy ireto. Isan’ny nanamora ny asan’ny zandary ny fiaraha-miasa amin’ny Dinabe any an-toerana. Tratra niaraka tamin’ireto dahalo ireto ny odigasy marobe ary efa nentina ao amin’ny biraon’ny kaominina any an-toerana ny fatin’izy roa lahy ireto, saingy tsy mbola nisy naka hatramin’izao. Dahalo nampitondra faisana ny mponina any an-toerana ireto lavon’ny zandary ary efa nokarohina hatry ny ela.

CMS

Les commentaires sont fermées.