Flash
Préc Suiv

Toamasina: misy misoloky amin’ny “facebook” ny kardinaly Tsarahazana

Toamasina: misy misoloky amin’ny “facebook” ny kardinaly Tsarahazana

Tsy kely lalana ny ratsy ary tsy mifidy olona intsony ireo mpanao fisolokiana sy fisandohana amin’ny tambajotran-tserasera. Fantatra izao fa misy olona misoloky eny anivon’ny tambajotran-tserasera ny kardinalin’i Madagasikara, ny arseveka Tsarahazana Desiré, nandritra iny herinandro lasa teo iny. Niseho teny anivon’ny tambajotran-tserasera izany fisandohana ho kardinaly ary fisolokiana amin’ny anarany izany. Manoloana izany asa fisolokiana izany, nanao fanambarana ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny diosezin’i Toamasina, ny pretra Lembamisaina Paques, nilaza fa tsy manao “facebook” ary tsy manana kaonty amin’izany ny kardinalintsika hatramin’izao, misy eveka hafa any amin’ny diosezy hafa manao sy manana kaonty “facebook” fa raha ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tsy manao izany. “Aoka tsy entina hanararaotana hisolokiana ny mpiara-belona ny fisandohana ny anaran’ny raiamandreny am-panahintsika Malagasy”, hoy ny pretra Lembamisaina Paques Adoré. Niteraka resabe eo anivon’ny finoana katolika eto Madagasikara ny fisian’ny olona ao anaty tambajotra “facebook” mitonona ho kardinaly Tsarahazana Désiré ka mangata-bola amin’ny olona. Nandritra ny fanambarana nataon’ny pretra Lembamisaina no nampitandremany ireo olona mampiasa ny anaran’ny kardinaly na ny sariny na mitonona ho izy any amin’ny tambajotra sosialy rehetra ka mampiasa ny anarany hamitahana ny mpiara-belona. Entanina koa isika samy hitandrina sy ho mailo manoloana ireo ratsy tsy kely lalana.

Sajo sy J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique