Flash
Préc Suiv

Tarika Nantenaina: mifanome tanana amin’ny fiarahamonina

Tarika Nantenaina: mifanome tanana amin’ny fiarahamonina

Tsy mijanona fotsiny amin’ny maha mpanankato azy ny tarika Nantenaina fa miditra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona sy fiarahamonina. Hita taratra izany amin’ny fanamboarana kopia faobe nokarakarain’ny tarika Nantenaina tetsy Tanambao Fahadimy, kaominina ambonivohitr’i Toamasina, nahavory olona hatramin’ny 1 500 ankizy sy olon-dehibe mbola tsy manana kopia nahaterahana.

Nambaran’ny mpikarakara fa misy antony maro ny mahatonga ny olona tsy hanana sy tsy mahavita ny kopia nahaterahana. Anisan’izany ny tsy fandraisan’ andraikitry ny raim-pianakaviana, eo ihany koa ny fahatahoran’ny ray aman-dreny hiditra birao, manampy trotraka ny fivezivezena amin’ny fikarakarana taratasy arahina fakam-bola mihoa-pampana eny amin’ny kaominina.

Nohamafisin’ny mpikarakara fa andiany faharoa ity fanamboarana faobe kopia ity hanampiana ny zanaka malagasy eny anivon’ny fiarahamonina. Noraisin’ny tarika Nantenaina ny fandaniana rehetra sy fifandaminana anivon’ny distrika sy fitsarana, nialoha ny nanaovan’ity tarika ity izao hetsika faobe kopia izao. Efa nanao famorana faobe ihany koa ny tenany talohan’izao.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique