Flash
Préc Suiv

Tahotra amin’ny vidim-piainana: tsy sahy nanondrotra ny vidin-tsolika ny fanjakana

Tahotra amin’ny vidim-piainana: tsy sahy nanondrotra ny vidin-tsolika ny fanjakana

Na tsy nisondrotra aza ny vidin-tsolika tamin’ity volana septambra ity, tsy mampiova ny fitaintainan’ny mpanjifa izany satria iaraha-mahalala ny fisondrotry ny saran-dalana taxi-be ho 500 Ar.

Na eo aza ny filazana fa ampiharina ny tena vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tsy sahy nampihatra izany ara-bakiteny ny fanjakana. Hanamarinana izany, tsy novainy tsy nasondrony ny vidin-tsolika, ny asabotsy 1 septambra teo. Nijanona ho 3 450 Ar ny litatry ny gazoala, 4 100 Ar ny lasantsy SP ary 2 530 Ar ny solitany fandrehitra.

Etsy ankilany anefa, tsy mitsahatra misondrotra tsikelikely ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny tena mahatonga izany ny ady toekarena eo amin’i Etazonia sy i Iran. Ataon’ny Amerikanina fahirano ny Iranianina tsy afaka mivarotra amin’ny firenena sasany ka mihena ny tolotra eo amin’ny tsena mampitombo ny tinady ka mitarika hampiakatra ny vidiny.

Tsy misy ny fifaninanana

Tsy mampiova ny fitaintainan’ny mpanjifa ity vidin-tsolika tsy nokitihin’ny fitondrana ity. Vao mainka aza mampitombo ny fahasahiranana satria nampiakatra ny saran-dalana ny taxi-be maromaro eto an-dRenivohitra, nanomboka ny asabotsy teo (jereo lahatsoratra etsy ankilany).

Midika izany fa tsy misy ny fifaninanana eto amintsika satria iraisan’ireo mpaninjara efatra ny fanafarana solika any ivelany. Iraisana koa ny fitaterana sy ny fitahirizana azy etsy amin’ny Logistique petrolier (LP) ary eo vao samy tsinjaraina isaky ny toby mpaninjara.

Tsy misy koa ny fifaninanana satria mametra ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ofisy malagasy mitantana ny vokatra solika (OMH).

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.