Flash
Préc Suiv

Ranesa Firiana: « Mila miala ny filohan’ny Antenimierampirenena »

Ranesa Firiana: « Mila miala ny filohan’ny Antenimierampirenena »

Tokony hametra-pialana sa tsia ny filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny maha kandidà ho filohan’ny Repoblika azy izao? Adihevitra be… « Mila miala ny filohan’ny Antenimierampirenena », hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana.

« Mametraka ny lalàna velona eto amin’ny firenena malagasy fa mahazo mirotsa-kofidina ny olom-pirenena tsirairay avy amin’izay fifidianana rehetra ahazoany mirotsaka. Anisan’ny olom-pirenena ny filohan’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Manana zo feno hirotsaka ho kandidà ho filohan’ny Repoblika izy. »

Izay ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny tokony hametrahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean-Max, fialana na tsia amin’ny maha kandidà ho filohan’ny Repoblika azy amin’izao fotoana izao.

Noho izany, rehefa neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fahazoany mirotsaka ho filohan’ny Repoblika, tsy afa-mihemotra intsony izy fa kandidà anisan’ireo hofidina amin’izany.

Tsy maintsy hanao fampielezan-kevitra izy

« Inona ny fepetra tokony ho fantatra amin’izay maha kandidà ny filohan’ny Antenimierampirenena izay? », hoy àry ity mpahay lalàna ity. Voalohany, mametraka ny lalàna velona eto Madagasikara fa tsy manan-jo hanao fampielezan-kevitra ny filohan’Andrimpanjakana. Nefa tsy maintsy hanao fampielezan-kevitra ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean-Max , rehefa nisafidy nirotsaka ho kandidà ho filohan’ny Repoblika.

Noho izany, miala avy hatrany tsy ho filohan’ny Antenimierampirenena izy noho izay safidiny hirotsa-ko kandidà ho filohan’ny Repoblika izay. Napetraka hoe: raha vao mivoaka ny lisitry ny kandidà avoakan’ny HCC, mipetraka avy hatrany amin’izay maha kandidà azy izay izy. Tsy tokony hanohy intsony ny asa maha filohan’ny Andrimpanjakana azy izy amin’izany, araka ny fanazavany.

R. Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique