Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo resaky ny mpitsimpona akotry: tako-pery sy ankoso-bolamena

Mangirifiry noho ny fahasahiranana mandifotra ny loha ny ankamaroan’ny mponina ankehitriny. Ela izay nitakian’ny olona fanovana izay noho ny fiharetany fijaliana sy fandeferana tsy nisy fiafarany. Maro aminy no efa very toky. Mitsidika indray anefa ity ny fifidianana, fotoana fameloman’ny mpanao pôlitika ny finoana sy fanantenan’ny vahoaka ny fitrangan’ny lanitra manga eo amin’ny fiainana izay efa maizina be ihany noho ny rahona mitatao.

Samy mandroso tolotra, ho fanalahidy hanokafana ny masoandro ny tsirairay amin’ny mpilatsaka ho fidiana. Misy moa no efa namolavola fatratra ny rafitra enti-miady amin’ny fampandrosoana. Eo koa ireo nanefitefy tetika hisorohana ny fahasahiranana. Fifidianana no resaka, tsy mahagaga raha mifaninana handresy lahatra ny mponina avokoa ry zalahy sy zavavy mpilatsaka. Samy mino angamba ny tsirairay amin’izy ireo fa ny tenany no mahavita azy tsara indrindra. Eo andaniny anefa, efa ritra ny fanantenanam-poanan’ny olona ka vitsy sisa no vonona hino fisehoan’ny fahagagana. Mailomailo ny olona ka raha tsapany fa fanaovana tako-pery fotsiny no fikasana fa tsy fitadiavana fahasitranan’ny fery mikiky ao anatiny dia tsy ho sodokan’izany ny maro.

Toy izany koa no mety tsy hirobohany raha mamiratra jerena fotsiny toy ny ankoso-bolamena ny lamina aroso enti-miady amin’ny fahantrana. Fanovana no andrasan’ny olona. Fanovana ny toe-pianany izay fantany fa tsy hisy raha toa tsy ny fomba fitantanana no tsy hovaina izay tsy ho tanteraka koa raha tsy ny toe-tsain’ny mpitantana no miova.

Ny fahavononan’ny mpilatsaka amin’ny fametrahana toe-tsaina vaovao mifehy ny mpitondra sy ny fomba fitantanana no mahamaika ny mponina. Ny rafitra enti-miady manaraka ao aoriana. Sehatra itarafana ny fifehezan-tena ny tompon’andraikitra sy tompom-pahefana maro karazana isan’ambaratonga.

Misy ihany angamba ny zava-baovao ao anatin’ireo rafitra atolotry ny mpilatsaka. Matetika anefa dia tsy afa manoatra izy ireo fa lamba tonta ihany no avadibadika sy atotototona mba hadio. Toy ny tsy fisian’ny fahagagana no tsy fisian’ny làlana hafa ankoatry ny fifehezan’ny mpitondra ny tenany tsy hivilivily sy ny fahaizany manentana ny rehetra hiray hina amin’ny fanaovana ezaka.

Ny fahavononan’ny tsirairay hametraka rafitra manan-kery amin’ny fifehezana ny mpitondra sy ny fomba fitantanana no antony voalohany entin’ny mpifidy anaovany ny safidiny. Ny fitaovam-piadiana entina hitolomana eo amin’ny fampandrosoana matetika avo lenta tsy takatry ny besinimaro. Ny hany mahaliana ny olona aloha tsy dia ny ahafahany misafidy an’izay madio saina, mialoha ny fandinihana hoe ny iza amin’izy ireo no tena matsilo saina.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.