Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Hivory hiaraka amin’ny Ceni ny solontenan’ny kandidà 36, ny 13 septambra izao. “Hiantohana ny mangarahara  sy ny hahazoana antoka ny fifidianana  ny  fidiran’izy  ireo ho  mpikamban’ny Ceni… “, hoy ny filoha  lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, omaly. Nambarany fa 9  ny mpikamban’ity rafitra misahana ny fifidianana ity izao  ary hiampy 36 izany. Hisy mpikambana  ahitana solontenan’ny  kandidà  tahaka  izany  avokoa  ny  rantsan’ny Ceni, faritra, distrika, kaominina.

Ho tonga amin’ity volana  septambra ity ny biletà tokana andiany voalohany. Maherin’ny iray hetsy  izany ary natao hampahafantatra  sy hanentanana ny  vahoaka  sy  ny mpifidy hiatrehana ny  fifidianana. Iarahana amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana samihafa izany  hetsika izany. Ho tonga  ny volana oktobra kosa ny biletà tokana  hampiasaina amin’ny fifidianana.

 

 

Les commentaires sont fermées.