Flash
Préc Suiv

Famonoana ireo telo mianaka – Imerintsiatosika: roa lahy nidoboka eny Tsiafahy

Famonoana ireo telo mianaka – Imerintsiatosika: roa lahy nidoboka eny Tsiafahy

Mandeha na somary mihisatra aza ny fanadihadiana mikasika ilay vonoan’olona nahatsiravina nahafaty ny mpivady kely iray sy ny zanany, teny Imerintsiatosika, herinandro lasa izay. Fantatra izao fa naiditra vonjimaika am-ponja, eny Tsiafahy omaly, ny roa lahy ahina ho nandray anjara tamin’ity heloka bevava ity.

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ireo roa lahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo telo mianaka hita faty rehefa avy novoina tamin’ny fomba feno habibiana teny Imerintsiatosika ny herinandro teo. Natolotra ny fampanoavana, ny asabotsy teo, ireo olona fito ka naiditra am-ponja avy hatrany izy roa lahy raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny dimy ambiny. Raha ny loharam-baovao voaray teny anivon’ny zandarimaria, nahitana porofo ary tsy afa-niala intsony ireto roa lahy ireto ka niainga avy amin’izany ny fanadihadiana rehetra. Fantatra fa isan’ireo olona nifandray akaiky tamin’ilay raim-pianakaviana ary olona akaiky ireto fianakaviana niharam-boina ireto izy roa lahy ireto. Vao hitan’ny olona nifanerasera tamin’ilay raim-pianakaviana (mialoha ny nahitana ny fatin’izy telo mianaka) izy roa lahy ireto, ny tapak’andro maraina. Manana “Cyber” roa izy mivady niharam-boina ireto ary izy roa lahy ireo no fantatra fa tena mpifanerasera, mifampihinana ny manta sy ny masaka amin’ireto fianakaviana ireto, raha ny fanazavana voaray hatrany. Taorian’ny nahitana ny fatin’izy telo mianaka, nohenoina avokoa ireo olona nifanerasera tamin’ireto fianakaviana ireto, saingy tsy afa-bela kosa izy roa lahy naiditra am-ponja satria hita tao an-tranon’ireo roa lahy ireo ny akanjo nihosin-dra ka nampiahiahy ny mpanao famotorana. Niainga avy amin’io ra io ny fanadihadiana ka tsy afaka intsony izy roa lahy naman’ilay raim-pianakaviana. Mbola andrasana kosa ny valin’ny fitiliana momba ny “ADN”-n’ireto jiolahy ireto izay somary maharitraritra ihany izany satria any ivelany ny anaovana ny fitiliana fa tsy mbola vitan’ny Institut Pasteur, raha ny fanampim-panazavana voaray teo anivon’ny zandarimaria hatrany.

Noraisin’i Rija Tram ny fiahiana an’i Mika…

Tsiahivina fa maty voatsatotsatoka antsy tao an-tranon’izy ireo eny amin’ny fokontany Mamoladahy, Imerintsiatosika, ny alahady alina hifoha alatsinainy lasa teo, izy telo mianaka : Rakotorahalahy Lantosoa Nantenaina Jacob, 31 taona, sy i Malalatiana Julianna (vadiny), 30 taona, ary Rakotorahalahy Fanomezantsoa Julie Rebecca (zanany vavikely), dimy taona. Sady naolan’ireo nahavanon-doza ilay renim-pianakaviana no niampy tsatoka antsy marobe tamin’ny vatany. Nieren-doza kosa satria lasa nanao fialan-tsasatra tany Sandrandahy Fandriana ny zanak’izy mivady lahikely iray antsoina hoe Rakotorahalahy Michaël. Efa nalevina ny alarobia teo any an-tanindrazan’izy ireo ny fatin’izy telo mianaka.

Kamboty tsy fidiny noho ny asa ratsin’ireo jiolahy i Mika kely ka nisy ny antso avo nataon’ny olona any anaty tambajotran-tserasera amin’ny hoavin’ity ankizikely kamboty ity. Namaly izany antso izany ary nifampiresaka tamin’ny renibeny i Rija Tram, mpanao sakafo matihanina mipetraka any Frantsa, rehefa nahare ilay voina nahazo azy telo mianaka. Horaisiny an-tanana ny hoavin’i Mika zanak’izy mivady. Izay hahatafita an’i Mika no tena tanjon’i Rija ary mbola hifampiresahany manokana amin’ny fianakaviany ny hianarany any ivelany.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique