Flash
Préc Suiv

Famaranam-paritra CNCF: lasan-dRakotoarisoa R. sy Razafinjatovo T. ny voalohany

Famaranam-paritra CNCF: lasan-dRakotoarisoa R. sy Razafinjatovo T. ny voalohany

Fifaninanam-pirenena ho an’ny hira amin’ny fiteny frantsay na ny « CNCF ». Niatrika ny famaranana ny teto Antananarivo. Samy nanao izay ho afany izy 16 mianadahy, omaly, tetsy amin’ny AFT Andavamamba.

Nanjakan’ny vehivavy ny fifaninanana ! Teo amin’ny sokajy famoronana, norombahin-dRakotoarisoa Ratsaraoelina F. ny laharana voalohany tamin’ny alalan’ilay hira mitondra ny lohateny « Elle ». Razafinjatovo Tiana Koloina kosa ny nahazo io laharana voalohany io ho an’ny sokajy famerenana (fihirana sanganasana mpanakanto efa misy). « Milord », hira nohirain’i Edith Piaf ny niverenany nomena aina indray teny an-tsehatra. Naharitra adiny iray latsaka kely ny fitsarana. « Tena sarotra dia sarotra ny nanatanterahana ity fitsarana ity satria samy manana talenta tsy manam-paharoa ireto mpifaninana ireto », hoy i Elie Ramasindraibe, iray amin’ireo mpitsara.

Tsikaritra teny an-toerana fa anisan’ny ipoirana talenta miavaka tokoa ity fifaninanam-pirenena ho an’ny hira amin’ny fiteny frantsay ity. Maro ireo ankizy sy tanora nahatarafana izany. Nampitolagaga ireo nanatrika tao amin’ny Alliance française Andavamamba ny fahaizan’ireo tanora nitazona, araka izay vitany, ilay fomba namoahan’ny mpamorona ilay hira.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.