Flash
Préc Suiv

Fahatapahan-jiro ao Toamasina: voatohintohina hatramin’ny fotoam-pivavahana

Fahatapahan-jiro ao Toamasina: voatohintohina hatramin’ny fotoam-pivavahana

Niverina matetika indray ny fahatapahan-jiro sy ny rano eto Toamasina, raha nisinda kely aloha izany teo aloha. Raha ho an’ny herinaratra manokana, tsy misy ny fanambarana na filazana mialoha fa saika tapaka mandritra ny fotoana fandefasana vaovao amin’ny radio sy fahitalavitra isan-karazany, manomboka amin’ny 6 ora maraina ary tsy miverina raha tsy amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tapaka indray ny herin-jiro manomboka amin’ny 12 ora antoandro hatramin’ny 2 ora. Toy izany, matetika, ny mitranga isan’andro.

Najanona ny toriteny

Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, tsy misy ny fanazavana ofisialy avy amin’ny tale iraisam-paritry ny Jirama ny anton’izany fahatapahana izany. Omaly alahady, taitra ny mpivavaka satria tapaka ny herinaratra ny maraina. Maro ny fiangonana tsy manana gropy manome harinaratra ka tsy nisy heno ny fotoam-pivavahana ary tsy afaka nitory teny ny mpitarika fivavahana samihafa satria tsy ren’ny kristianina. « Aoka isika tsirairay samy hivavaka ao am-pontsika fa raha hanao ny torinteniko eto aho dia tsy handre izany ireo kristianina namantsika any aoriana ka lasa matiantoka izy fa tsy mahazo ny fampianaran’ny Tompo sy tsy mandre ny tenin’Andriamanitra », hoy ny mpitondra fivavahana iray noho ny hatezerany amin’ny ataon’ny Jirama.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique