Flash
Préc Suiv

Betroka: voatifitra ireo dahalo nitifitra helikoptera

Maty rotiky ny bala ireo dahalo telo lahy nokarohina hatry ny ela ary isan’ny tompon’antoka tamina halatra omby miisa 50 tao Betroka, ny 29 aogositra 2018 lasa teo. Lavon’ireo dahalo nandritra ny fanafihana ny ben’ny Tanàna iray tany amin’iny faritra iny. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, tamin’ny 8 ora maraina tamin’io fotoana io tao an-tanànan’i Berotsy Ambony sy Vohidratsy, nisy dahalo ampolony nirongo basim-borona nanafika sy nangalatra ireo omby ireo ary nizotra namonjy ny kizo iray atao hoe Sakasoa ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Benato Toby ny lalan’ireo dahalo. Nanampy tamin’ny fitsirihana ny toerana nalehan’ireo dahalo ireto ny helikopteran’ny Tafika malagasy ka fantatra fa ao amin’io kizo io no misy azy ireo. Nisy ny fifandonana teo amin’ireo mpanara-dia sy ireo dahalo ka nahalavo ny telo amin’izy ireo ary nahatrarana basim-borona iray. Tsy nanaiky hatrany anefa ireo malaso fa niezaka nitifitra ny helikopteran’ny Tafika izay nahitana diam-bala. Lavo tamin’izany koa ny raim-pianakaviana iray ben’ny Tanàna tao amin’ny distrikan’i Betroka satria notifirin’ireo dahalo raha izy sendra nandalo tamin’ny moto teo amin’ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpanao famotorana anefa no nahitana fa an’io ben’ny Tanàna teo aloha izay lavo ihany ilay basy tratra tany amin’ireo dahalo telo lahy namoy ny ainy ireo. Zanany ihany koa ny iray amin’ireo dahalo ireo, raha ny fanazavan’ny zandary hatrany.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique