Flash
Préc Suiv

Asan-dahalo ao Ihorombe: dahalo 20 indray lavon’ny zandary sy ny miaramila

Asan-dahalo ao Ihorombe: dahalo 20 indray lavon’ny zandary sy ny miaramila

Nirefodrefotra ny poa-basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny zandary nampian’ny miaramila tao Analoka, fokontanin’Andranomanga, distrikan’Iakora, faritra Ihorombe, ny alakamisy teo. Dahalo 20 eo ho eo indray maty voatifitra…

Dahalo ampolony amin’ireo 150 nirongo basy no maty voatifitra nandritra ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona. Nitrangana halatra omby miisa 400 tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io. Tsy vitan’izay fa mbola nodoran’izy ireo koa ny tanàna ka nahamay trano miisa 60 tafo ary nizotra nihazo ny distrikan’i Betroka ny lalan’ireo malaso nandroaka ny omby. Tsy manan-kialofana ny olona miisa 250 satria levon’ny afo ny tanàna. Nanara-dia avy hatrany ny mponina sady nampandre ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Iakora. Nisy ny antso nataon’ireo zandary amin’ny fifanampiana ka nandefa miaramila koa ny avy ao amin’ny Bataillon Inter-Armée na BIA Ihosy ary nanao sakana amin’ny zotran’ireo dahalo koa ny zandary avy ao amin’ny kaompania Betroka sy ny Unité spéciale anti-dahalo na Usad. Nanampy koa ny tafika ana habakabaka tamin’ny fandefasana helikoptera nanafaingana ny fahitana ny toerana nisy ireo dahalo. Henjana ny fifandonana satria tsy nanaiky mora foana ireo malaso fa nitifitra ireo mpitandro filaminana. Nisy ampolony lavo ka isan’izany ny dahalo raindahiny mpitarika ireto andian-dahalo ireto. Nandositra ireo dahalo, saingy niverina indray izy ireo ora vitsy taorian’izay haka ny omby kanjo nisy indray ny fifampitifirana ka dahalo ampolony hafa indray maty. Niparitaka ireo malaso ary tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra.

Mangataka ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina hatrany ny mpitandro filaminana hahafahana misoroka mialoha ny asan-dahalo toy izao.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique